RADAVODO SY GOLIATA
SCÉNARIO 1
SYNOPSIS : Eo am-piandrasana ondry Radavodo no tonga hilaza loza i Jaomatatana zanak’i Solo mpanjaka, nohararaotiny hakana hevitra koa Rasamo nony tonga.
JAOMATATANA
Araky ny vaovao mari-pototra voarainay amin’izao harivariva mahatsara vahiny izao dia ho avy hanafika antsika ny Filistina, miaraka amin’i Goliata.
Ireo filistina ireo anie leisy sady mandroba no manolana e.
Ndao hitsoaka.
RADAVODO
Atao ahoana ahoana leisy no ho fitondra an’ireto ondry maro ireto handositra a.
Hevitra hafa tadiavina.
…Andraso aloha fa ity ingahy Rasamo
RASAMO
Manakory ialahy isany, inona izato dinidinika ?
JAOMATATANA
Tonga tsy nantsoina ialahy nansesiky ny Razana.
Ialahy hono toa hoe efa nahafaty filistina 6 000 lahy indray mamono koa.
Sady misy filistina lava ranjanana be ao a, ohatran’ny trano ny habeny, ialahy angamba vao maharesy an’iny.
RADAVODO
Sady matim-bavy be hono ry zalahy ka ahoana, ho lasany hatramin-dRalila vadin’ialahy raha tonga aty ireny ah.
RASAMO
Ataoko efa lasany iny e, ny voloko izao nohetezany, lasa nentiny nitsoaka any, hamidy amin’ny filistina hono.
RADAVODO
Ka inona izany no hatao e, SOLO mpanjaka rain’ialahy izao no lava indrindra eto amin’ny fanjakana, nefa iny vao nahita an’i Goliata, nipararetra nangovitra, latsaka izay tsy ho latsaka.
Lasa nihazakazaka nody any an-dapa any, io lena be io izao ny salakany fa salakan-dRabonera no nanaovany nentiny nitsoaka any.
JAOMATATANA
Ka izany anie no itadiavako hevitra aty amin’ialahy e, tsy tiako ho lasan’ireny any i Mikalo
anabaviko.
RADAVODO
Ohatran’ny miombon-kevitra amin’ialahy ihany aho aloha a, fa aiza isika no hahita vehivavy homena an-dry zalahy, fanampin-dRalila ?
RASAMO
Aza manao an’izay mahatezitra leitsy a, ahoana iny no homeko azy ? Fa raha vehivavy foana no ilainy,misy mpivaro-tena be dia be any namako, voan’ny areti-mifindra, voan’ny angatra, voan’ny tety, voan’izao aretin’ny firaisana rehetra izao.
Misy voan’ny tiberkilaozy koa raha miady varotra kely.
Ireo no hamitahana an-dry zalahy.
Ahoana ny hevitr’ialahy isany
JAOMATATANA
Ento aty fa ataoko tsara laza any amin’Ikaky ianao raha mahomby ny tetika.
RADAVODO
Ary izaho izany mba ahoana.
JAOMATATANA
Mety hotapahin’Ikaky ny lohan’ialahy raha hitany, hitany foana ialahy manara-maso sy mandinika an’i Mikolo anabaviko.
Tsy mety amin’ingahy ny mankany,
hain’ialahy tsara fa Ikaky sady mandidy no manapaka.
Tantara noforonina miainga amin’ny tantara ao amin’ny baiboly ity, ary hotohizako fa mazotoa manaraka, hivadika sarimiaina koa ity.
MOMBA AN’IREO MPANDRAY ANJARA :
Radavodo, anaran’i Davida io tao amin’ny baiboly Malagasy voalohany nadika avy tamin’ny alalan’ny sorabe arabo
Solo mpanjaka : anaran’i Saoly no novana
Rasamo, Samsona novana kely
Rabonera : Mazava ho azy fa anaran’i Abnera lehiben’ny tafik’i Saoly io no nogasina
Jaomatatana : Jonatana zanak’i Saoly no namboarina kely.
Ralila : Dalila vadin’i Samsona ihany fa namboarina ho gasigasy.
Raha tianao ny hampiasa an’ity sanganasa ity,Afaka manoratra ao amin’ny pejy Facebbok-ko ianao : Sediarifara Tanguy Parfait Rakotoson
mail : shivatanguy@gmail.com
finday : 0339278155