SAKAFO MITSABO ARETINA MARO
Atao anaty gellule hatrany na avadika ho vovoka sy ho ranony no fampiasana ny ravinkazo malagasy entina mitsabo hatramin’izay.
Amin’izao fotoana izao kosa niova izany ary ity no voalohany angamba.
Azo ampiarahina amin’ny sakafo koa izy ireny.
Misy anana dia voaporofo fa mahasitrana aretina maro toy ny homamiadana (ny homamiadana rehetra) ; « allérgie » ; tension ; aretim-bavony diabeta ; albumine ; ratra anaty ; sns…ohatra ampiasain’ny tenanay ary ampiarahina amin’ireo zava-maitso sy zava-manitra isankarazany fanaovana « Catless » ireo.
Ny tsiron’ny Catless azonao hatsaraina arak’izay itiavanao sy ny mpanjifa azy, ary ny fahasalamana mitombo.
Mba asio commentaires kely ity raha sitrakareo izay efa nihinana.
Herinandro izay no efa nampiharina ity fomba vaovao ity ary matsiro dia matsiro ilay »Catless » asiana azy satria hain’ny tena ny mifehy ny « dose »-ny (Fa raha tsy mahay ianao, mangidy be lozan-tany ilay sakafo)
Ny masoko no nahita ny fihatsaran’ny fahasalaman’ny sasany amin’ireo olona efa nihinana.
Ny mahatsara an’ity fomba vao nampihariko ity aloha, miavaka ny « Catless » vokarin’ny tena ary afaka mihatsara ny fahasalaman’ny olona manjifa nefa tsy voatery mandany volabe na mandany fotoana sy arina hahandroina azy ho tambavy.
Sarotra tadiavina nefa ity anana dia ity ary ny tena izay monina eny Anosibe Ambohibarikely, tonga hatreny tanjombato maka azy eny antsisin-tanimbary eny mihitsy indraindray.
Ho an’ireo olona eny amin’ny manodidina ny tena moa, amporisihina izy hihinana fa arakaraky ny hihinananao betsaka aminy sy matetika no manafaingana ny fihatsaran’ny fahasalamanao.
Antsoina koa ianao lavitra, manatona anay hanjifa sy hihinana, dia ho tsapanao ny fiovan’ny fahasalamanao.
Mpianatra maro moa no mandalo eo am-baravarana rehefa amin’ny fotoana anendasana azy isa-maraina, asaina ianareo e.
Manjifà, mihinàna fa vokatra tokana io ary tsy mboa misy any an-kafa.
Natao ho an’ny olona salama tsara sy matanjaka toa anay koa ity « Catless » misy anana dia manasitrana ity fa tsy hoe ho an’ny manana olana ara-pahasalamana ihany.
Azo ho lazaina ho kadoa ihany izy aloha hatreto fa ny « Catless »-ko no tena vidianao.
Mahaiza ary ianao manararaotra.
Efa natsahatra nandritry ny fihibohana 2020 moa ity asa vao nanomboka ity, tahaka ny asa hafa lasibatra tamin’izany.