Salamo 119
Salamo 119
Famintinana ny fiainan’ny mesia ; ny toetran’ny mesia ; ny fahendrena ananany ; ny sedra niaretany ; ny fahatokiany an’Andriamanitra.
Davida mpanoratra ny salamo ilay mesia voasoratra ao amin’ity bokin’ny faminaniana ity.
Ary ny fiainany amin’ny fiverenany (réincarnation) no nosoratany ato.
Izy no azo tondroina ho ilay mpampianatra hendry indrindra.
i Davida ihany ilay mesia ,mpanjaka nampanantenaina.
Ny mpanoratra io
1ALEPH
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin’ny lalany,
izay mandeha araka ny lalan’ny Tompo.
2Sambatra izay mitana ny fampianarany;
izay mitady azy amin’ny fony rehetra,|
10Mitady anao amin’ny foko rehetra aho;
aza avela hania lavitra ny didinao.
11Tehiriziko miafina ato am-poko ny teninao,
mba tsy hanotako aminao.
17GHIMEL
Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho,
ka hitandrina ny teninao.
18Sokafy ny masoko mba hahitako
ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao. 19
Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao. 20
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao. 21
Mandrahona ny mpiavonavona hianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao. 22
Halaviro ahy ny henatra amam-panesoana, fa mitandrina ny fampianaranao aho. 23
Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao. 24
Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy. 25
DALETH
Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy indray aho araka ny teninao. 26
Naposako anao ny làlako, dia hoy ny navalinao ahy: Ampianaro ny lalànao aho. 27
Ampahafantaro ahy ny làlan’ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho. 28
Azon’alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso, atsangano indray aho araka ny teninao. 29
Halaviro ny làlan’ny lainga aho, fa omeo ahy ny soa ao amin’ny lalànao. 30
Nifidy ny làlan’ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao. 31
Nifikitra tamin’ny fampianaranao aho; ry Iaveh, aza avela ho azon-kenatra aho. 32
Mihazakazaka eo amin’ny làlan’ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko. 33
HE
Ry Iaveh ô, ampianaro ny làlan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko. 34
Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra. 35
Tariho aho amin’ny làlan’ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana. 36
Atongilano ho amin’ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin’ny fahazoan-tombony. 37
Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny làlanao aho. 38
Toavy amin’ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an’ny olona matahotra anao. 39
Esory amiko ny fahafaham-baraka izay atahorako; fa tsara ny didinao. 40
Mirehi-paniriana hanaraka ny didinao aho, velomy amin’ny fahamarinanao aho. 41
VAV Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao! 42
Ary ho haiko valiana izay maniratsira ahy, fa mitoky amin’ny teninao aho. 43
Aza esorina amin’ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko. 44
Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay. 45
handeha amin’ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko. 46
Hilaza ny fampianaranao eo anatrehan’ny mpanjaka aho, ka tsy ho menatra. 47
Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy. 48
Hanandratra ny tànako amin’ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao. 49
ZAIN Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako. 50
Izany no fiononako ao anatin’ny fahoriako, dia ny hameloman’ny teninao ahy indray. 51
Manaraby ahy fatratra ireo mpiavonavona, fa tsy mba mivily amin’ny lalànao aho. 52
Ny didinao tamin’ny andro taloha no eritreretiko, ry Iaveh, ka mionona aho. 53
Azon’ny hatezerana aho noho ny amin’ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.
Ny lalànao no fihirako, eo amin’ny fitoerana fivahiniako.
56 Izany mihitsy no tsapako,Satria ny didinao no tandremako.
ח [Heta]
57 I Jehovah no anjarako.Efa nampanantena aho fa hitandrina ny teninao.
58 Amin’ny foko manontolo no itadiavako sitraka* aminao.Aoka ianao ho tsara fanahy amiko, araka ny efa nolazainao.
59 Dinihiko tsara ny lalako,Mba hamerenako ny tongotro ho amin’ny fampahatsiahivanao. 60 Mailaka erỳ aho nitandrina ny didinaoFa tsy nangataka andro.
61 Nihodidina tamiko ny tadin’ny ratsy fanahy.Tsy nohadinoiko anefa ny lalànao.
62 Mifoha aho amin’ny misasakalina mba hisaotra anao,Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao. 63 Naman’izay rehetra matahotra anao aho,Ary naman’izay mitandrina ny didinao.
64 Mameno ny tany ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Jehovah ô!Ampianaro ahy ny fitsipikao.55
ט [Teta]
65 Manao soa amin’ny mpanomponao tokoa ianao,Jehovah ô, araka ny efa nolazainao.
66 Hatsaran-toetra sy fahendrena ary fahalalana no ampianaro ahy,Fa ny didinao no inoako. 67 Nanota tsy nahy aho talohan’ny nahitako fahoriana,Fa efa mitandrina ny teninao kosa aho izao. 68 Tsara ianao sady manao ny tsara.Ampianaro ahy ny fitsipikao.
69 Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy.Fa izaho kosa hitandrina ny didinao amin’ny foko manontolo.
70 Manjary donto toy ny tavy ny fon’ireny.Fa izaho kosa tia ny lalànao.
71 Soa ihany aho nampahorina,Mba hianarako ny fitsipikao.
72 Mahasoa ahy ny lalàna aloaky ny vavanao,Eny, mahasoa ahy noho ny volamena sy volafotsy an’arivony.
[Yôda]
73 Ny tananao mihitsy no nanao sy namolavola ahy.Ataovy azoko tsara izany, mba hianarako ny didinao.
74 Ireo matahotra anao no mahita ahy ka faly,Satria miandry ny teninao aho.
75 Fantatro tsara, Jehovah ô, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao,Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.
76 Hampionona ahy anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,Araka ny efa nolazainao tamin’ny mpanomponao!
77 Amindrao fo aho mba ho velona foana,Fa ny lalànao no mamin’ny foko.
78 Aoka ho menatra ireo sahisahy ratsy, satria mamitaka ahy tsy amin’antony.Fa izaho kosa misaintsaina ny didinao.
79 Aoka hiverina eto amiko ireo matahotra anao,Sy ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao. 80 Tsy hisy tsiny anie ny fitandreman’ny foko ny fitsipikao,Mba tsy hitsanga-menatra aho!
כ [Kafa]
81 Reraka aho miandrandra ny famonjenao.Ny teninao no andrasako.
82 Reraka ny masoko miandrandra ny teninao,Ka hoy aho: “Mba rahoviana ihany ianao no hampionona ahy?”
83 Fa nanjary toy ny siny hoditra azon’ny setroka aho.Tsy manadino ny fitsipikao anefa aho. 84 Haharitra angaha moa ny androm-piainan’ny mpanomponao?Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin’ireo manenjika ahy?
85 Nihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy,Izay tsy manaraka ny lalànao. 86 Azo itokisana ny didinao rehetra.Vonjeo aho fa enjehina tsy amin’antony! 87 Raha nisy kely foana dia efa nofoanan’izy ireo tsy ho eto an-tany aho.Tsy niala tamin’ny didinao anefa aho. 88 Tsimbino ny aiko noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,Mba hanarahako ny fampahatsiahivana aloaky ny vavanao.
ל [Lameda]
89 Mandritra ny fotoana tsy voafetra, Jehovah ô,No mitoetra any an-danitra ny teninao. 90 Maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby ny tsy fivadihanao.Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.
91 Araka ny didim-pitsaranao, dia mbola eo mandraka androany ireo,Satria mpanomponao izy rehetra.
92 Raha tsy ny lalànao no mamin’ny foko,Dia efa maty tao anatin’ny fahoriako aho hoatr’izay. 93 Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao,Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.
94 Anao aho, ka vonjeoFa ny didinao no karohiko.
95 Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy.Henoiko tsara foana anefa ny fampahatsiahivanao.
96 Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra,Fa ny didinao kosa mahakasika zavatra maro be.
מ [Mema]
97 Tiako erỳ ny lalànao,Ka saintsainiko foana!
98 Ny didinao no mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko,Satria ahy mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny.
99 Lasa lalin-tsaina mihoatra noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,Satria ny fampahatsiahivanao no saintsainiko.
100 Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho,Satria mitandrina ny didinao.
101 Tsy avelako ho any amin’ny lalan-dratsy ny tongotro,Mba hitandremako ny teninao.
102 Tsy mivaona amin’ny didim-pitsaranao aho,Fa ianao no mampianatra ahy.
103 Mamy amin’ny lelako ny teninao,Mihoatra noho ny tantely ao am-bavako!
104 Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina,Ka lasa halako ny lalan-diso rehetra. נ [Nona] 105 Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,Sady fahazavana ho an’ny lalako.
106 Nianiana aho fa hanaja ny didim-pitsaranao ara-drariny,Ka hotanterahiko izany. 107 Ampahorina mafy aho.Jehovah ô, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.
108 Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vavako e!Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao.
109 Tandindomin-doza* foana ny aiko.Tsy manadino ny lalànao anefa aho.
110 Mamela-pandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy.Tsy mivaona amin’ny didinao anefa aho. 111 Raisiko ho fananako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao,Fa ireny no fifalian’ny foko.
112 Zariko hankatò ny fitsipikao ny fokoMandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, hatramin’ny farany
ס [Sameka]
113 Halako ny olona miroaroa saina, Fa ny lalànao no tiako.
114 Fiafenako sy ampingako ianao.Ny teninao no andrasako.
115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy,Mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.
116 Ampio aho, araka ny efa nolazainao, mba ho velona foana.Ary aza avela ho menatra noho ny fanantenako aho.
117 Tohano aho mba ho voavonjy,Dia hodinihiko foana ny fitsipikao.
118 Ailikao daholo izay mihataka amin’ny fitsipikao,Satria lainga no entiny mamitaka. 119 Nesorinao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.Koa tiako ny fampahatsiahivanao.
120 Mihoron-koditra aho noho ny fahatahorana anao.Ary matahotra aho noho ny didim-pitsaranao.
ע [Aina]
121 Mampihatra didim-pitsarana ara-drariny aho ary manao ny marina.Aza afoy eo an-tanan’ireo mpanambaka ahy aho.
122 Aoka ianao ho antoka ho an’ny mpanomponao, ny amin’izay hahasoa azy.Enga anie tsy hanambaka ahy ny olona sahisahy ratsy!
23 Reraka ny masoko miandrandra ny famonjenaoSy ny teninao marina.
124 Ento amin-katsaram-panahy ny mpanomponao.Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 125 Mpanomponao aho, ka ataovy azokoSy fantatro tsara ny fampahatsiahivanao.
126 Izao no fotoana anaovan’i Jehovah zavatra,Fa mandika ny lalànao izy ireo.
127 Izany no itiavako ny didinaoMihoatra noho ny volamena, eny, noho ny volamena voadio aza. 128 Koa hitako fa marina daholo ny didinao.Halako ny lalan-diso rehetra.
פ [Pe]
129 Mampiaiky volana ny fampahatsiahivanao.Izany no antony anarahako azy ireny.
130 Ny fampiharihariana ny hevitry ny teninao dia manome fahazavana,Ka lasa manam-pahalalana ireo mbola tsy dia nandia fiainana.
131 Sokafako mitanatana ny vavako mba hahafahako hisefosefo,Satria maniry mafy handre ny didinao aho.
132 Tsinjovy aho ary iantrao,Araka ny didim-pitsaranao ho an’ireo tia ny anaranao.
133 Ataovy mamahatra tsara amin’ny teninao ny tongotro.Ary enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!
134 Avoty aho tsy ho azon’olona mpanambaka,Dia hotandremako ny didinao. 135 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao,Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 136 Mikoriana toy ny renirano ny ranomasoko,Noho ireo olona tsy mitandrina ny lalànao.
צ [Tsade]
137 Tia rariny ianao, Jehovah ô!Araka ny hitsiny ny didim-pitsaranao.
138 Mandidy anay hanaraka ny fampahatsiahivanao ianao,Satria tia rariny sady tsy mivadika mihitsy.
139 Ny hafanam-poko no hahafaty ahy,Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.
140 Madio tsara toy ny metaly voadio ny teninao,Ka tian’ny mpanomponao.
141 Tsinontsinona sy fanamavo aho,Nefa ny didinao tsy mba hadinoko. 142 Fahamarinana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fahamarinanao.Ary marina ny lalànao. 143 Azom-pahoriana sy nandia zava-tsarotra aho,Nefa mamin’ny foko ny didinao. 144 Marina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fampahatsiahivanao.Ataovy azoko tsara izany, mba ho velona foana aho. ק [Kôfa] 145 Miantso anao amin’ny foko manontolo aho ka valio, Jehovah ô!Ny fitsipikao no hotandremako. 146 Miantso anao aho ka vonjeo,Dia hanaraka ny fampahatsiahivanao aho. 147 Vao mangiran-dratsy dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao.Ny teninao no andrasako. 148 Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin’ny alina dia efa mihiratra ny masoko,Mba hisaintsainako ny teninao.
149 Henoy ny feoko, noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.Jehovah ô, tsimbino ny aiko, araka ny didim-pitsaranao.
150 Efa manakaiky ireo fatra-panaraka fitondran-tena baranahiny.Mivaona tanteraka amin’ny lalànao izy ireo.
151 Akaiky ianao, Jehovah ô!Ary marina daholo ny didinao.
152 Efa hatry ny ela no nahafantarako ny sasany amin’ny fampahatsiahivanao.Nataonao mba haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny.
ר [Resa]
153 Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho.Fa tsy mba manadino ny lalànao aho.
154 Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana, ka avoty aho.Tsimbino ny aiko, araka ny efa nolazainao.
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,Satria tsy mikaroka ny fitsipikao izy ireo.
156 Lehibe ny famindram-ponao, Jehovah ô!Tsimbino ny aiko, araka ny didim-pitsaranao. 157 Maro ny mpanenjika ahy ary maro koa ny fahavaloko,Kanefa tsy miala amin’ny fampahatsiahivanao aho.
158 Mahita ny mpamitaka aho,Dia rikoriko, satria tsy mitandrina an’izay voalazanao ireny. 159 Jereo fa tiako ny didinao.Jehovah ô, tsimbino ny aiko noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.
160 Fahamarinana no votoatin’ny teninao,Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny.
ש [Sina] na [Shina]
161 Manenjika ahy tsy amin’antony ny andriana.Ny teninao anefa no atahoran’ny foko. 162 Mahafaly ahy izay voalazanao.Eny, faly toy ny mahazo babo be dia be aho.
163 Halako sady maharikoriko ahy foana ny lainga,Fa ny lalànao no tiako.
164 Impito isan’andro no iderako anao,Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.
165 Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao,Ka tsy misy mahatafintohina azy.
166 Ny famonjenao no antenaiko, Jehovah ô!Ary ankatoaviko ny didinao.
167 Arahiko ny fampahatsiahivanao,Ary tiako loatra ireny.
168 Arahiko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao,Fa eo anatrehanao ny lalako rehetra.
ת[Tao]
169 Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako, Jehovah ô!Ataovy mahira-tsaina aho, araka ny teninao.
170 Ho tonga eo aminao anie ny fitalahoako famindram-po!Afaho aho, araka ny efa nolazainao.
171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro,Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
172 Hihira ny teninao anie ny lelako,Satria marina daholo ny didinao!
173 Hanampy ahy anie ny tananao,Satria ny didinao no nofidiko!
174 Maniry mafy ny famonjenao aho, Jehovah ô!Ary mamin’ny foko ny lalànao.
175 Ho velona foana anie aho mba hidera anao!Ary hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!
176 Mirenireny toy ny ondry very aho. Mba tadiavo ny mpanomponao,Fa tsy mba manadino ny didinao aho.