TAKIANA HO AN’IZA NY ÎLES ÉPARSES ?
Vonona ny hitaky an’ Iles Eparses tokoa ve ireo mpanao politika mitarika an’izany min’izao fotoana izao ?
Cyrius aloha tsy mino,
Raha hanaiky ary ny frantsay ka homeny avy hatrany ireo, ho faly ve ireo mpitarika ny fitakiana ? Tsia,
Tsy anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fahazoan’ny frantsay an’ireo nosy ireo koa ve izy ? Ny frantsay aloha tsy ho nanohana fotsiny ny fakana fitondrana tsy ara-dalana sy tamin-kerisetra t@ 2009 raha tsy nisy antony tao, ary mazava izao fa ny Iles Eparses no anisan’ny takalon’ny fanohanany.
Anisan’ny tao anatin’izany fitondrana izany ny sasany @ ireo mpitarika ireo, ka aoka tsy hanadio tena indray @ io sarintsarina fitakiana io.
Sao kosa te hamerina indray ny 26 janvier sy ny 07 fevrier ? Mandroba sy manao sorona olona dia mahazo fitondrana ?
Raha hanao fitakiana, ny tanin’ny vahoaka madinika lasan’ny orinasa vahiny matanjaka aloha takiana ; mila omena tany koa aloha ny vahoaka madinika te hanajary, raha tsy izany, tsy ny malagasy no hahazo tombony @ fahazoana ny Iles Éparses.
Na ho azo aza ireo Iles Éparses ireo, tsy ireo Malagasy madinika hatao sorona ireo no hahazo ny tombontsoa avy amin’izany, raha mbola zaza mpandimbin’ny 2009 no mitondra.
Ho anarana fotsiny izany izany fa ny » mpitondra » sy ny manodididna azy, ary ny orinasa vahiny matanjaka ihany no hisitraka ny tombontsoa avy @ izany.
Noho izany, ny fisorohana an’ireo olana voalaza eto ireo aloha no tokony himasoana alohan’ny tena hitakiana ny Nosy Éparses.