Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > TANTARA MIAFIN’I MADAGASIKARA

19 septembre, 2019

TANTARA MIAFIN’I MADAGASIKARA

Classé dans : — cyrius @ 12:54
Rovan'i Manjakamiadana

Ny lapan’i Manjakamiadana no anisan’ny mirakitra ny tantaran’i Madagasikara.
Nafenina ny tantara sasany ary nasiam-panovana.

Tantaran’i Madagasikara nafenina ; taranaka hova ny mpanjaka merina sy sakalava ; tsy tena nifandovana ny fanjakana teto afovoan-tany ; tsy nisy mpanjaka légitime  ; fiaraha-mitantana no anton’ny lova tsy mifindra fahiny ; efa lany taranaka ireo andriana fahiny ; ny vahoaka mihitsy no tsy nankasitraka ny fahefa-mpanjaka ; tsy lova ny hasina.

TARANAKA HOVA NY MPANJAKA MERINA SY SAKALAVA

Taranaka hovalahy sy hovavavy avokoa ny andriana Merina sy Sakalava.

Ireto misy porofo avy amin-dRainandriamampandry :

« Il est évident que la famille royale Merina était du croisement Merina et Sakalava » izay midika ho toy izao

« Miharihary fa ny andriana Merina dia vokatry ny fifanambadian’ny Merina sy ny Sakalava »
Ny andriana sakalava nefa taranaka hova Merina ihany koa, arak’ity voalaza ity ka taranaka hova ihany izany ireo andriana merina fahiny, ka tsy marina intsony ny hoe ireto taranak’Andriana, ireto taranaka hova fa samy taranaka hova isika na taranaka inona na taranaka inona arak’ity voalaza ity izay tohin’iry voalohany :

Toute personne qui visite l’Imerina aura certainement pu rencontrer des hommes et des femmes de teints clairs, mais à l’intérieur de l’enceinte royale, il n’en trouve pas.
De ce fait, il est clair que les ancêtres de ces souverains sont issus du croisement Sakalava et Hova Merina ». Rainandriamampandry.P 381 du livre Apports de la traditions dans les successions Royales Merina », izay midika toy izao

« Afaka niaraka tamin’ny lehilahy na vehivavy mazava endrika ireo olona nitsidika an’Imerina, tsy nahita nefa izy tao anatin’ny Rova.
Noho izany mazava fa ny razan’ireo mpanjaka ireo dia avy amin’ny fiarahan’ny Sakalava sy hova Merina.

Rainandriamamapandry no nilaza an’io izay midika fa taranaka hova izany ireo mpanjaka Merina na mpanjaka Sakalava, tsy hitako izany izay mahasamihafa ny taranaka hova sy ny taranak’andriana, raha ny marina aza dia ny andriamanjaka ihany no nantsoina hoe andriana taloha fa izay afaka nanoratra moa dia nanoratra an’izay tiany sy mety aminy ka novana hatramin’ny tantara.

Tsetsatsetsa sty aritra no ilazana fa nisy zanaka amam-binanto ary zafin »Andriambelomasina nangalarin’ny sakalava sy ny namidiny ho andevo, taranaka inona koa ireo izany avy eo ?
Ny dikan’izany ajanony amin’izay ny fanavahana hoe taranak’andriana, na hova na taranak’andevo, fa tsy misy elanelana ireo, mifangaro ireo.
Talohan’ny fitondran’andriana koa, fitondran’ny zokiolona no teto, tsy nisy andriana ireo
Ireo lazaina fa andriana, taty aoriana nefa taranaka avy amin’ireo koa ary anarana nodongiana fotsiny moa ny hoe andriana, fa te hampitovizina amin’Andriamanitra ireo olona nandray fitondrana ireo.
Ny teny hoe andriana mantsy, Adi, teny sanskrity no nogasina, Adonaï amin’ny teny hebreo, izay samy midika hoe Andriamanitra faratampony.

MOMBA NY FIFANDOVAM-PANJAKANA MERINA

Tsy tena niankina tamin’ny ra na tamin’ny Ray aman-dReny izany ny fifandovam-pahefana teto Imerina.
Ireto ny porofo :

Afaka manjaka na tsy taranak’andriana aza.
Zanak’Andriambelomasina ny renin’Andrianampoinimerina, Ranavalonandriambelomasina, saingy arabo ny rainy, izany hoe tsy taranak’Andriana.

Andrianampoinimerina nefa nanjaka nandimby an’Andrianjafy, Andrianjafy izay nanan-janaka.
Ranavalona I nandimby an-dRadama I nefa tsy zanany.
Zanaka hovalahy koa Radama II, zanak’i Ranavalona I tamin’Andriamihaja,
Nanjaka nefa Radama.
Midika izany fa tsy miankina amin’ny ran-dRay aman-dreninao sy ny ranao ny fahazoana fanjakana teto Imerina.
Hampiantsiaka ny porofo
Tsy nisy zanaka mpanjaka ireo rehetra nanjaka taorian’Andriambelomasina, ankoatra an’Andrianjafy.
Andrianampoinimerina no voalohany, tsy zanaky ny mpanjaka Andrianjafy
Radama no faharoa, tsy zanak’Andrianampoinimerina io fa natsangany (jereo Tantara ny Andriana p. 1052 – 1053) : « Indro Ilaidama TSY NATERAKO IO, fa naloako tao am-bavako » Izany hoe notendren’Andrianampoinimerina handimby azy io fa tsy naterany.
Ranavalona I no fahatelo, tsy zanaka mpanjaka izy nefa nanjaka na teo aza ny zanakavavin-dRadama I izay novonoiny ho faty nony avy eo.
Radama II, efa voalaza teo fa hovalahy ny rainy ;
Rasoherina, tsy zanaka Mpanjaka koa io ary nanana zanaka natsangana koa izy sy Radama II saigy Ramoma izay lasa Ranavalona II no nandimby azy fa tsy ireo zaza natsangany ireo.
Ranavalona III koa tsy zanaka mpanjaka, tsy zanak’i Ranavalona II fa napetrak’i Rainilaiarivony ihany hanjaka.
Mazava ho azy izany fa tsy tena nifandovana ny fanjakana teto Imerina, na nisy aza moa ny fanendrena nataon’ireo nanjaka, tsy ny rà no nametraka mpitondra fahizany fa ny hery.
Ireto ny porofo :

Tsy notendrena ho mpanjaka ireto olona ireto fa nanongam-panjakana na napetraka mpanongam-panjakana,
1- Andriamasinavalona : Nasaina niandry ny farany io, tsy manjaka raha tsy hoe tsy misy intsony ny mpandova fanjakana avy amin-dRazakatsitakatra zokiny, ity farany rahateo no zanak’Andriantsimitoviaminandriandehibe fa iry voalohany zana-badiny.

Tsy nahandry ny ho farany nefa io fa nanongam-panjakana avy hatrany niaraka tamin’Andriamampandry ka azony ny fanjakana.

2- Andrianampoinimerina, Tsy notendren »Andriambelomasina koa io fa taty aoriana vao namboarina ny tantara hanamarinana ny maha-mpanjaka an’Andrianampoinimerina.
Nasaina niandry ny farany fa izy no ho fara-andriana, ho tompon’ny farany. (ny hoe miandry ny ho farany moa dia ny fiteny vahiny hoe « par défaut » no dika akaiky azy indrindra, izany hoe, tsy omena azy ny fahefana, raha mbola misy olon-kafa manan-jo handova).

Ny zanany lahy no tian’Andrianjafy hanjaka handimby azy saingy natanjaka Andrianampoinimerina sy ireo 12 lahy nametraka azy, ka izy no nanjaka.

3 – Tsy nisy nanendry an’Imavo ho mpanjaka koa fa naka an-keriny ny fanjakana izy sy ireo mpomba azy, dia namboarina hanamarinana azy ny tantara taty aoriana.
Ity ny porofo, politikan’Andrianampoinimerina sy Ilaidama ny hanambatra an’i Madagasikara ho fanjakana tokana.
Noho io politikany io dia i Radama no tsara toerana indrindra tamin’ireo zanak’Andrianampoinimerina, izy moa tsy niteraka fa natsangany avokoa ireo na Radama aza.
Ny antony dia Radama no zokiny indrindra tamin’ireo zanany sisa velona,
fanampin’izany koa manana rà sakalava , heverin’ny hafa fa ny raibeny avy amin-dReniny no sakalava, saingy ny rainy niteraka azy no sakalava raha ny hevitro, azo atao moa ny « test d’ADN » hanamarinana an’izany amin’izao fotoana izao.
Noho izany no nananany Légitimité kokoa hanamora ny fanambarany an’i Madagasikara.
Sakalava koa izany ilay neken’ny Anglisy ho mpanjakan’i Madagasikara.

Ary eo no tena olan’ireo tandapa manodidina an-dRadama satria rehefa nanambady an-dRasalimo zana-dRamitraho-mpanjaka sakalava Radama hampitombo an’io légitimité-ny io, dia Sakalava ihany koa no olona akaiky sy to teny taminy indrindra, dia ilay antsoina hoe Ralala.
Natahotra ny ho very fihinanana ary ireo tandapa Merina satria ho fanampin’io dia tsy maintsy izay haterak’izy sy Rasalimo, izany hoe ho sakalava ihany koa no ho mpanjakan’i Madagasikara faharoa, hampitombo ny légitimité-n’io zaza mety ho avy io hahafahany mampitambatra an’i Madagasikara.

Raha izay mantsy no hitranga dia mety ho voailika tsikelikely ireo tandapa ireo ary ho nifindra tany an-tSakalava ny renivohitra.

Voamarina teto ny tsindrimandrin’Andrianampoinimerina izay nanafarany an’izy 12 lahy talohan’ny nahafatesany hoe

« Aza mandrara hanin-tian-jaza »
« …Sao mbola tsy tokony ho faty ka matinareo… »

Satria tsy misy ahafahana manakana an’io fikasan-dRadama io afa-tsy ny fahafatesany ihany.
Jereo ary ny tantara fa ny ady tamin-dRamitraho no ady farany nataon-dRadama, ary na azony ihany aza Rasalimo, dia hatreo no dingana farany azony natao fa narary Radama ary tsy ho sitrana.
Tsy voarara ny hanin-tian-jaza, saingy maty tsy lera kosa Radama, ialana tsiny amin’ilay fomba fiteny.

Tsy niteraka ary izy sy Rasalimo, tsy tanteraka ilay fikasany, fa maty novonoina Radama, novonoin’ireo akaiky azy, araky ny porofo ara-panandroana anananan’ny tena manoratra.
Ratra teo amin’ny atiny no nahafaty azy.
Raha ny porofo ara-tantara kosa, hitantsika fa maty novonoina talohany ireo Katibo antemoro mpitaiza azy.

Nanan-janaka vavy, hono Radama saingy Ranavalona I sy ny tariny no nahery ka azony ny fanjakana ary novonoiny io.
Izay nahery ihany no nahazo ny fanjakana fa tsy nisy lalampanorenana nandidy hoe iry na itsy no tsy maintsy ho mpandova.
Hitantsika ireo ny porofo.
Fanjakan’ny hery izany ny teto.

TSY NISY NANANA LÉGITIMITÉ HO MPANJAKAN’i MADAGASIKARA intsony nanomboka teto, ny hery sisa nantenaina hanambatra an’i Madagasikara.
Hany ka sahin’ny vahiny ny niantso an-dRanavalona reniny hoe Mpanjakn’ny Merina.

Nanomboka nihasarotra ny fanohanan’ny anglisy ny fitondrana satria karazana tetezamita amin’izay ny mitondra, tsy manana légitimité ho mpanjakan’i Madagasikara Ireo rehetra nandimby an-dRadama.

Nihatsara toerana ny frantsay fa nila ny fanampiany ny mpanjaka sakalava, azony koa ny fon-dRadama II, mpanjaka Merina.
Ny frantsay izany no nanana légitimité kokoa hatreto.

Tsy nisy fifandimbiasam-panjakana araka’izay tendren’ny mpanjaka nitondra koa moa araka ny voalazantsika tery ambony fa ny hery no mametraka mpanjaka.
Nahery noho Radama II koa Rainilaiarivony sy Raharo ka niongana io, ary tsy ireo zaza natsangany no nandimby azy fa izay tian-dRainilaiarivony sy azony baikoina.
Namboarina koa ny tantaran-dRadama II hanamarinana ny fanonganana azy fa izy moa tsy afaka niteny intsony, maty raha ny voalazan’ny tantara.

Dia napetraky ny hery sy ny tanjak’i Rainilaiarivony indray ary Rasoherina
Fa izy no tena nitondra.
Avy eo napetrany indray Ranavalona II
Tsy niteraka koa io fa nahery hatrany Rainilairivony hovalahy nanendry an’izay mpanjaka hitondra eo ambany fahefany na teo aza ireo niketrika hametraka mpanjaka hafa.
Noheverina ho nanana légitimité ihany koa Rampelasinimoro izay voalaza ho  taranak’Andriamangarira mpanjakan’Antsahadinta no sady taranak’Andriamanalinibetsileo, hono(firazanana tsy voaporofo koa moa io fa rehefa misy tombontsoa, dia soratana) nefa indrisy tsy zakan-dRainilaiarivony ny lohany sady tsy faly amin-dRainilaiarivony rahateo ity vehivavy ity noho ny fahafatesan-dRatrimoarivony anadahiny tamin’ny fomba mampieritreritra.
Nanana an’izay noheveriny handimby azy koa Ranavalona II, fa tsy mahery noho i Rainilaiarivony io.
Razafindrazaka no anarany na tsy naterany aza, fa io no nandova ny fananany.

Mety hitovy hevitra amin-dRainilaiarivony koa angamba aho sy ianao hoe tsy izay mandova ny fananany akory no tsy maintsy handova fanjakana.
Saingy ny hery hatrany no nametraka mpanjaka teto ary nahery Rainilaiarivony.
Tsy rà koa no tompon’ny fahefana fa ny hery, ary na zokiny aza Rasendranoro dia Ranavalona III no nosafidian-dRainilaiarivony, Razafindrahety, zandrin’iry voalohany.

Tsy mbola tafatambatra i Madagasikara hatreto fa nisy hatrany ny fanoherana tany amin’ny faritra hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny tany an-tsakalava, satria tsy nisy intsony ny nanana légitimité ho mpanjakan’i Madagasikara.

Tsy afaka niditra an-tsehatra nanampy intsony ny Anglisy, satria fitondrana tsy légitime no nisy, izy aza nitambatra tamin’ny frantsay niady tamin’i Madagasikara tamin’ny 1845.
Sarotra ny lalana ho an’ny Anglisy fa ny frantsay nahazo laka tamin’ny mpanjaka sakalava nifandimby, ny teto afoavoan-tany nalalaka ny lalana tamin’ny alalan’ny Misionera sy ny Charte Lambert.

Izy no légitime kokoa izany teto satria na ny hery nantenain-dRainilaiarivony koa aza izy no nanana bebe kokoa.

Tanteraka ary teto ilay hafatry ny Ombiasy anankiray tamin’ny zananay manao hoe :

« Ho rava tokoa ny fanjakantsika, ho sanatria anie izany, raha tsy tohananan’ny fahamarinana »

Marihina fa tsy horesin’ny Frantsay moramora isika raha tena niady ny vahoaka sy ny miaramila, nampian’ny hazo sy ny tazo izay reharehantsika fahizany.
Saingy fitondrana nanjakan’ny fahalovana sy ny tombontsoam-pianakaviana hatrany no nisy teto afa-tsy tamin‘Andrianampoinimerina ihany ka leo ny vahoaka.
Zarany aza nisy ny Frantsay hanafaka azy tamin’ilay fitondram-pianakaviana efa lo hatrany am-boalohany.

Nofaranan’ny frantsay izany ilay tetezamita teo izay toa efa voaomana hatry ny ela.
Nisy ny nanohitra ny frantsay avy eo nefa aza adino fa Malagasy no namono nahafaty an-dRainisongomby sy Ralaitangena, mpitarika ny menalamba voalohany.
Nanao toy izany koa ireo tany amin’ny faritra maro, saingy tsy niady ho an’ny fanjakan-dRanavalona III fa niady ho an’ny fahefany tsirairay avy ireo mpitarika.
Anisan’ny nisy nitarika Menalamba hafa koa teto taorian’izy roalahy voalaza etsy ambony, dia Rabezavana, Rabozaka ary Rainibetsimisaraka, ary anisan’ny nanome baiko an-taratasy azy ireo hanafika miaraka Ranavalona III, saingy tsy nisy nanaraka ny baikony izy telolahy (Menalamba sy tanindrazana nosoratan’i Jeanne Rasoanasy)

TANTARA MAHAVARIANA, TETEZAMITA NOMANINA

Ny zavatra mahavariana moa mpanjaka tsy niteraka hatrany no napetraka hitondra taorian’Andriamasinavalona, inona no antony, efa izay mihitsy ve no voajanahary aminy noho izy ireo mifanambady amin’ny havana sa nisy kajy hafa ?

DINIHO IRETO :

Tsy niteraka Andriantsimitoviaminandriana mpanjakan’Ambohimanga, zanak’Andriamasinavalona,
Rakotomavo, rahalahin’Andriamangarira mpanjakan’Antsahadinta no natsangany sy notendreny handimby azy, izay lasa Andriambelomasina
Raha niteraka izy, tsy io no ho nandimby azy fa ireto fianakavian’andriana ireto tsy misambo-balala ho an-janak’olona.
Mbola fanontaniana koa ny hoe niteraka marina ve Andriambelomasina ? Satria rehefa mikabary Andrianampoinimerina, tsy mitonona ho taranak’ity farany fa hoy izy :

« …raha mbola ny tarana-dRasoherina no manjaka »

Tokony ho Andriambelomasina mantsy no ho notononiny satria sady loham-pianakaviana no mpanjaka.
Marihina fa vadin’olona Rasoherina no nampanalain’ny rain’Andriambelomasina an-keriny ho vadiny.

Noheverina ho tsy hiteraka koa Andrianjafy, izay nandimby azy, tsy hay moa izay marina na tena zanaka mitondra ny rany tokoa Ralaitokanimerina, fa efa antitra izy vao niteraka azy izay nokasainy handimby azy.

Tsy niteraka koa avy eo Ralesoka anabavin’Andrianampoinimerina, izay novinadin’Andrianamboatsimarofy mpanjakan’Antananarivo ; tsy niteraka Andrianampoinimerina, fa raha niteraka izy tsy ho Radama, izay izy mihitsy no nilaza hoe tsy naterany no ho notendreny ho mpanjaka, jereo ny boky Tantara ny Andriana nosoratan’i Callet p 1052-1053 izay nanafaran’Andrianampoinimerina an’izy 12 lahy sy Radama manao hoe :

« Io lehiretsy Ilaidama, TSY NATERAKO io, fa naloako tao am-bavako, ka tsy nokasaiko hanana ny fanjakantsika io noho izany, fa avy izay anomezan’Andriamanitra azy…. »
Misy mamilivily ity hafatra ity mba hifanaraka amin’ny tombontsoan’olom-bitsy saingy tsy Andriamanitra Andrianampoinimerina ary ny vintan-dRadama « scorpion », ny 02 novambra 1791 tamin’ny 22h15 izy no teraka, signe lunaire taureau, ascendant verseau.

Mariky ny tsy fahamendrehana ny famitahana olona, manararaotra ny tsy fahalalany.

Tsy nisy niteraka koa ireo taorian-dRadama,
mbola mampisalasala ny maha zanak’i Ranavalona I an-dRadama II, toy izany koa Radama II izay nolazaina fa niteraka nefa zaza natsangana no notezainy.

Izy 3 vavy mpanjaka farany moa tsy nisy niteraka fa zafikelin’ny rahavaviny koa no voalaza fa notezain-dRanavalona III tany an-tsesitany rehefa tsy mpanjaka intsony izy fa olon-tsotra toy ny rehetra, « Marie Louïse » hono no anaran’io zaza io, (tsy tena voaporofo koa ny fisiany fa izay mihevitra ho mahita tombontsoa amin’ny fanovana ny tantara, manova avokoa).
Mazava ho azy fa raha niteraka izy tsy neken-dRainilaiarivony ho mpanjaka.
Hanelingelina ny fahefany izany zaza izany ao aoriana.

Tsapanao ary izao, fa ny tena tantara marina tokoa no  trandrahina sy avoakan’ny mpanoratra, voaporofo izao fa tsy nisy olon-kafa niara-natao sesitany tamin-dRanavalona III afa-tsy ny nenitoany, izay Ramisandrazana no anarany.
Tsy nisy mihitsy ilay zaza nolazaina ho zanak’ity mpanjakavavy nanjaka farany ity.

Eto dia miala tsiny indrindra ny tenako fa tsy misy afaka misora-tena ho taranak’andriana intsony amin’izao vanim-potoana izao, mpisoloky izay mitompo-teny fatratra ho izany fa Andrianampoinimerina no voalazan’ny fahitan-dRamorabe reniben’Andrianampoinimerina sy Andriamamilaza ho Fara-andriana.

« Tany misy farany ity, hoy Andriamamilaza mpahita, mantsy an’Andrianampoinimerina ary eto no farany, ilalahy no ho fara-andriana.

Ary marina io fa tsy niteraka Andrianampoinimerina, ary tsy nisy nanana toetran’andriana teto afa-tsy izy sy Ilaidama, ra no misy mitondra, saingy ra mahamenatra satria fahalovana no nanjaka teto tamin’ny fitondran’andriana, miala tsiny indrindra.

Raha niongana moa ny fitondran’andriana dia Repoblika no najoron’ny frantsay satria sady rava ny fanjakan’andriana no fanjakana tsy légitime hatramin’ny ela no nolavin’ny vahoaka, natakalony ny frantsay ka tsy nilaina intsony.
Andron’ny teknolojia izao ka azo porofoina amin’ny alalan’ny test d’ADN avokoa izay voalaza eto.

FANONTANIANA : Vazaha mody miady ve ny Frantsay sy ny Anglisy tamin’izany sa variana ny niaro ny tombontsoany sy ny tombontsoam-pianakaviany ny tao an-drova ?

 

ETO AM-PAMARANANA, ambara mazava fa tsy misy rà ambony noho ny an’ny hafa.
Tsy misy Razana ambony noho ny Razan’ny hafa koa fa samy mandry tsy misy mahahetsika ao amin’ny misy azy ireo.
Samy mandry ao amin’ny toerana mangatsiaka na trano manara avokoa, ary Razana daholo ny anarany fa fanjanahan-tsaina ny ankoatr’izay.
Raha miteny anaran’olona Andrianampinimerina na olona hafa ao amin’ny tantara dia lazainy avy hatrany hoe « Andriamasinavalona ; Andriambelomasina ; Rasoherina « , fa tsy misy miteny mihitsy hoe ny masina Ra…
Asakasakao izay hampiasa izany fiteny miendrika fanjanahan-tsaina izany. Fa ny atao no maharatsy na mahatsara fa tsy ny fiantsoana ny razanao, na Razan’olona hoe masina.
Mesia no dikan’ny teny hoe Masina ka tsy azo zimbazimbaina io teny io.

Maro amin’ireo misehatra eo amin’ny Kolontsaina sy ny tantara no te handray toerana tsy azy avokoa na tsy ilaina, satria izy mitonona ho taranak’i Ranona fahiny, ny tenako aloha zanak’Andriamanitra lahimatoa, ataoko fa tsy misy razana ambony noho izany.
Ka araraotiko eto ny milaza fa tsy azo ekena ny fananganana fanjakana anaty fanjakana toy ny hoe fananganana mpanjaka merina izay kolontsaina tsy nisy sady tsy ilaina , mandika ny lalàmpanorenana.
Hisandratan’ny maha-izy azy ny tsirairay sy ny firenena no antony ampivelarana ny kolontsaina fa tsy ny hamerenana ny zavatra efa hita fa tsy mety sy tsy ilaina.
Somary goragora ihany koa ny haino aman-jery ka izay « titre » tian’ny olona ampiresahany hiantsoana azy dia soratana eo alohan’ny anaranay avokoa na « titre » tsy misy aza.
Fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana velona ihany koa ny fampirisihan’ny fanjakana an’izany

Ny hahasoa ny firenena moa efa voasoratra mialoha ary ity no tsy azontsika ihodivirana : Le prince de la paix  , ity atao fikarohana raha tsy misokatra azafady.  http://cyrius.unblog.fr/?p=1808

ILAINA VE NY LOVA TSY MIFINDRA ?

Alohan’ny hamaliana an’io, inona aloha ilay lova tsy hafindra ?
Fa raha ny tantara tany aloha, raha nanan-janaka 2 ny mpanjaka iray, ny iray amin’ireo ihany no handova fanjakana.
Mba tsy hampiady an’ireo nefa, dia hatao koa izay hananan’ny taranaky ny iray anjara amin’ny fandovana ny fanjakana.

Tsy misy lalana hahatongavana amin’izany nefa afa-tsy ny fanambadiana.
Ampifanambadiana ny taranak’ireo dia amin’ireo taranak’izy 2 avy natambatra ireo no hamoaka olona mitondra ny ran’izy roa,
Rehafa manjaka io dia samy tsy very anarana izy 2 avy eo fa samy ray aman-dreny nipoirany.

Izany no notanterahina tamin’ny andron-dRalambo, nampifanabadiana ny zanak’izy mirahalahy zanany dia Andriantompoindrindra, zana-badiny sy Andrianjaka zanany.
Hoy Andriantompokoindrindra mantsy an-dRalambo hanomana an’izany: « Handidy aho r’Ikaky ka henoy tsara, fa raha manaiky ny didiko Andrianjaka dia izy no hanjaka fa izaho hiandry ny ho farany, ka ny fanambadiana no hananako ny farany… hampifanambadiana ny zanako sy izay zanak’Andrianjaka hanjaka… »
Io ilay lova tsy mifindra, karazana fony mbola fahampanjaka hisorohany ny ady fahefana.

Na fomba iray atao mba hanakambanana fanjakana roa samy nentin’olona mpihavana.
Anisan’izany ohatra ny nanomezan-dRamorabe an-dRambolamasoandro zanany ho vadin’Andrianampoinimerina, izay havany ihany.

Fanao hita eran-tany izany tamin’ny fotoan’androny.
I Marie Thérèse d’Autriche izay nalainanomena ho vadin’i Louis XIV anie ka zanak’i Philipe IV (mpanjakan’i Espaina) anadahin-dreniny ihany e.
Nataony fotsiny izany hananany zo handova ny fanjakan’i Espaina, ary tanteraka tokoa fa lasan’ny taranany hatramin’izao ity farany.

Tsy misy intsony kosa nefa izany ankehitriny na ho an’ireo mpanjaka mbola mitondra any ivelany aza.
Saika mpihavana avokoa ny fianakaviana mpanjaka any Eoropa, I Harold V mpanjakan’i Norvège anie havan’i Elisabeth II e, havam-badin’ity farany koa anie ny mpanjakan’i Espaina ankehitriny e.
Fa nahoana no tsy mifanambady ny taranak’ireo arak’ilay hambom-po diso toerana fanaon’ny sasany eto hoe tsy maintsy izay mitovy firazanana aminy no mifanambady aminy ?
Satria tsy ilaina intsony izany, tsy misy fanjakana hatambatra intsony ho azy ireo, ary tsy misy fanjakana ho lovaina intsony eto Madagasikara, hitantsika teo aloha koa fa tsy nisy andriana namela taranaka izany ary nifanambady hatrany ny andriana fahiny sy ny hova.
Hambom-po diso toerana sisa ilay tsy mivady afa-tsy izay mitovy firazanana aminy, nefa raha vahiny tsy mitovy firazanana aminy, vadiany ihany, toe-tsaina voazanaka sy gadran’ny tantara izany, izay mihevitra fa ambony aminy raha vahiny fa raha gasy dia tsy mitovy aminy, nefa izy gasy, inona izy izany ?

Andron’ny fitovian-jo nanomboka tamin’ny fanjanahantany ary na Ranavalona III aza lasa olon-tsotra toy ny hafa rehetra rehefa niongana.

Andron’ny fitovian-jo sy ny fahalalahan-tsaina fa ireo mpanjaka mbola eo amin’ny toerany aza manambady olon-tsotra avokoa any ivelany, satria ny fanahy no olona fa tsy ny rà.

I Elisabeth II sy i Ruan Van Carlos angamba no mpanjaka nanambady taranaka mpanjaka farany indrindra izay samy taranaka mpanjaka grika no vadiny.
Ny taranak’iry voalohany kosa olon-tsotra tahaka ny olona hafa rehetra avokoa no vadiny, ny an’i Harry zafikelin’ity mpanjakavavy ity aza, taranak’andevo mihitsy, i Meghan Merkel.
Soa fianatra izany, ho an’ireo be hambom-po diso toerana eto amintsika , izay tsy fantatra intsony hoe taranak’iza marina, fa rehefa misy ilana anao dia taranak’andriana koa ianao.
Raha hanaovantsika test d’ADN ireo olona ireo, ho gaga ianao, ary ho zendana lavitra noho ianao ny maro amin’ireo.
Ny fanjakana rahateo tsy fananam-pianakaviana, an’ny Malagasy io, an’Andriamanitra ary efa natolony ny Mesia ny fanjakana.
Fanapahan-kevitra tsy azon’iza na iza toherina, eny na ny Mesia nomeny ny fanjakana aza tsy afaka handà fa fantany tsara ny herin’Andriamanitra fa tsy misy afaka hanohitra, na dia izy zanany lahimatoa aza, ny tenako io, ilay taranak’i Davida, izay Davida mpanjakan’i Israely ihany no niverina.

125 taona taorian’ny naharava ny fitondram-panjaka, tsy ilaina intsony izany, ary tsy misy fahefana holovaina intsony fa fitovian-jo no nisy nandritr’izay 125 taona izay ary Repoblika no nisolo ny fitondram-panjaka, ka hivady amn’ny havana dia handova inona ? Handova fahefana tsy anao sady tsy an’ny ray aman-dreninao ve ?
Aza miresaka hoe hasina fa ny fanahy no mitondra ny hasina fa tsy ny rà, izay mifandray amin’ilay fanahy ambany indrindra dia ny vatana aina na double éthérique, izay itovizantsika amin’ny biby.
Ny biby no anaovana kajy toy izany mba hamoaka karazany iray efa fantatra mialoha fa tsy ny olona.
Raha ampivadiana ohatra ny gana Colvert sy ny gana coureur indien dia Khaki Campbel hatrany no taranaka havoakany eo.
Gana maro atody.
Vatana ihany izany no vita kajy amin’ny fampivadiana, fa ny fanahy tsy misy ifandraisany amin’io.
Ny toetr’olmbelona tsy azo anaovana kajy toy ny biby.

Tahirin-tsary momba ny fandevenana an-dRanavalona II tao Ambohimanga, sary nindramina

Tantara nafenina, ao Ambohimanga no nalevina Ranavalona III tamin’ny 01 oktobra 1938.

Olombelona toy ny olombelona hafa rehetra ihany ianao na havanao no ho vadinao na olon-kafa, ny porofo ? Mety maty ihany ianao toy ny hafa koa.
Ary na na ireo aretina mpifindra amin’ny alalan’ny rà aza tsy te hahalala anao, fa mifindra amin’ny fomba fifindrany amin’ny hafa koa izy aminao.
Porofo izany fa tsy nisy hasina nafindran’ny fivadiana amin’ny havana mihitsy.
Ary na ireo andriana izay nifikitra tamin’izany fanao izany tany aloha aza, efa hatry ny ela no lany taranaka, raha ny ohatra hita ery ambony, fa niafara tamin’ny tsy fiterahana hatrany ny raharaha, ny olana nisy ankoatr’izay, nafenina impito mandifotra olona fa mahamenatra.

 

NY TARANAKA SY NY FOMBA

Tsy misy intsony izany taranak’andriana izany izao ary anisan’ny mandoto ny kolontsaintsika ny famadihan’ny sasany ny hetsika ara-kolontsaina ho fipetrahany eo amboninao rehefa maro ny olona te hahalala zavatra manatrika.

Mihambo ho mpahay fomba izy amin’izany nefa ny sasany nanozona ny firenena ka saika nandratra olona ilay vatobe natsangany ho tsangambato tamin’ny 21 sy 22 septambra 2019.
tapaka ilay tsangambato izay midika fa tsy tohanan’ireo loha niandohana izy ireo, dia Andriamanitra sy ny razana.
Ny porofo dia fotoana midim-bolana iny, tsy fanombohan-javatra, tsy mety hatao taom-baovao, fakana tahaka befahatany fa taom-baovao frantsay fahiny no nenjehana hatao taom-baovao malagasy nefa tsy nety.
Fotoana fanalam-paditra iny, tsy firariana soa, tsy fanombohan-javatra, ary tsy tsara ny mihinana ny zavatra zaraina amin’ireny.
Soa fa tsy mpitondra antsika ireny fa raha tsy izany ho mafy kokoa ny nonjo ny firenena  tamin’ireny fiantsoana ozona amin’ny fomba hafa ireny.
Tsy mila hehezin’ny akoho akory ny laingan’ny sasany amin’izy ireo izay milaza ho nanodina rivo-doza tany amin’ny 1994, izay lainga avy hatrany saingy azo lazaina satria fotoana efa lasa, ela efa nihinana voamanadino ny Malagasy ka tsy hahatsiaro hoe tsy nisy izany.
Tsy gaga isika raha mbola mihotsaka hatrany ny vatobe eny amin’ireo toerana avo eto an-dRenivohitra fa olona misoloky ho taranaka mpanjaka koa no nitarika fomba teny, ary tsy hainy ilay fomba fa te hitonona ho tarana-mpanjaka fotsiny izy dia izay.
Atoroko anao ny teknifa (fomba) fanalana faditra, amin’ny maha-Mesia, mpanjaka mpisorona ahy fa midim-bolana no fanaovana an’io.
Miaka-bolana kosa no fanaovan-javatra tiana hahasoa, ohatra hoe fitsofan-drano na fangataham-pitahiana.
Tsy mety atambatra ho andro iray izany ireo, mifanelanelana andro iray farafahahakeliny ka ny iray atao maty volana, ny iray atao ny ampintson’iny, aorian’ny tsinam-bolana.
Dia aoka tsy hitomany haniry ambony namana toy ny orchidés rehefa mitarika fomba na fankalazana zavatra ara-kolontsaina fa tsy mahasoa an’iza na iza izany.

Aoka tsy hety hofitahina raha resaka fomba Malagasy fa resaka teknika be io, teknika sy teknolojia (mila pejy hafa ny fanazavana an’izany) no dikan’ny teny hoe fomba fa tsy fanao entina anjanahan-tsaina.
Ary izany no omena amin’ny antsipiriany sy ampianarina hatrany amin’ny fakany eto ka araraoty.
Asa tsy mora ny mampianatra siansa momba ny zava-miafina sy ny baiboly amin’ny teny Malagasy, ho ana Malagasy tsy mitovy fari-pahaizana nefa azo natao teto.
Isaorana Andriamanitra nanohana hatrany fa raha ny heriko irery tsy nahavita an’izao sy ny mbola hatao, ary sambatra ianao mahazo fahalalana eto,
tolorana ny masaka noketrehina nandritry 21 taona nikarohana tao anatin’ny yoga; ny fanadroana ; ny kabbale ; ny fomba sy ny kolonsaina Malagasy sy vahiny, fa na ny ambony grady indrindra amin’ny Franc-Maçon (33ième dégré), na ny papa isan-karazany, na Impérator (grady ambony noho ny (grand maître) ho an’ny Rose Croix) tsy afaka hampianatra anao an’izay hita eto, amin’ny teny Malagasy sy ao anatina pejy fohy sy fotoana fohy tahaka an’izay hita ato.

Hitanao eto izao ilay voalaza ao amin’ny Hafatry ny ombiasy anankiray ho an’ny zanany manao hoe :  » Aza manjaka amin’ny nofo ihany itsy izy, fa indrindra, manjakà amin’ny fanahy, fa raha manjaka amin’ny nofo ihany ialahy ry Itafikarivo, ho sanatria anie izany, fa aoka ny fahendrenao sy ny fahalalanao ny fomba amam-pahendrena rehetra ananan’ny firenena rehetra no hampiavaka nao amin’ny vahoaka rehetra, tahaka ny fahazavan’ny volana, mampiavaka azy amin’ny fahazavan’ny kintana sasany »

HASINA io hazavana sy fahendrena lazainy eto io, ary hita maso ny hasina, tsy zavatra tazonina any an-trano na any am-paosy, mpisoloky izay milaza zavatra manohitra an’izao teniko izao, maso miara-mahita isika.

Ary tsarovy ilay tenin’i Molière manao hoe : « La vertu est le premier titre de Noblesse »

Tsy ny taranak’iza na iza ary no mitondra ny HASINA fa ilay zanak’Andriamanitra lahimatoa, mpanelanelana an’Andramanitra sy ny olombelona ny Mesia, andrian’ny fiadanana.

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA FIKAROHANA IZAO
Manazava ny lalan-kalehan’ny firenena ny fahalalan’ny vahoaka ny tantarany.
Manitsy ny diso rehetra amin’ny tantara nampianarina tany an-tsekoly ity voka-pikarohana ity, ary azo porofina izay voalaza eto.
Manazava koa ity tantara ity fa mitovy zo ny Malagasy rehetra, tsy misy ambony na ambany.
mahay mandray anatra ny vahoaka sy ny mpitondra mahalala ny tantara, fa ny fitondrana feno fahalovana tamin’ny andron’ny fahampanjaka, rava, na tsy ampy hery nanaovana an’izany aza ny vahoaka malagasy.
Mora ialana amin’ny fisolokiana sy ny fitaka ihany koa ny fahalalana ny marina ara-tantara.

Mpikaroka momba ny siansa ara-panahy ny tena, ny yoga sy ny fanandroana, ary ny baiboly no isan’ny fototra voalohany nentiko niainga.
Manaparitaka ny vokatry ny fikarohako aho, ary mila fanampiana avy any aminao izao fanandratana ny kolontsaina sy ny fomba malagasy izany.
Mpanoratara ko aho ary ny roa amin’ireto aloha ny boky efa naparitaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr&currency=EUR

- Nahazo ny  « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA  no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.

- Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky roa nosoratako, ny iray momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :

http://www.morebooks.shop/bookprice_offer_e8bd40eb42eab2dd74fedf8cba051a1ad2d3981f?locale=fr&currency=EUR

Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay

Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne

Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait

NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Azonao atao ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.
Ny fanohizana sy fizarana momba ny tantaran’ni Madagsikara tamin’ny fahagola koa, mila fanamiana avy aminao, fa zon’ny Malagasy ny hahalala ny lasa sy ny tantarany.
Ampahany ihany ny ao anatin’ity bande annonce ity :

Image de prévisualisation YouTube
Ny hanohizana an’itony fikarohana itony sy ny fizarana azy koa mila fanampiana avy aminao fa zon’ny Malagasy ny hahalala ny tantarany sy ny kolontsainy.
Ny avelo sy ny ambiroa no lohateny nomeko an’ity horonantsary fohy momba ny any ankoatra ity.
Image de prévisualisation YouTube

Ity kosa bande annonce momba ny tantaran’i Madagasikara fahagola

Image de prévisualisation YouTube

Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.

« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina

Tantara miafin'i Madagasikara

I Madagasikara fahampanjaka

 

 

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava