TSY NITERAKA ANDRIANAMPOINIMERINA
« Indro Ilaidama, tsy naterako io, fa naloako tao am-bavako »
Ny hafatra Farany nataon’Andrianampoinimerina ; ny telo noho dimin’Andriantompokoindrindra : sikidim-panorona ; Andrianjaka ; Ralambo ; Andriamasinavalona ; Andriantsimitoviaminandriandehibe ; Razakatsitakatrandriana.
Zaza natsangana avokoa, na Andriamasinavalona, na Andriantompokoindrindra, raibeny, na Radama I.
Iretsy roa voalohany, tsy nomen-drainy fanjakana, satria nanan-janaka nateraka ity farany. Tsy niteraka kosa Andrianampoinimerina, ka nanjaka ihany Ilaidama, na tsy naterany aza.
Mahalala ny tantara ve isika, nanoratra ny tena tantara marina ve ny mpikaroka hatrizay ?
Raha ny sarin’Andrianampoinimerina no fantatra tato ho ato fa tsy tena izy ilay malaza be mitora-defona iny.
Hita ao amin’ny tantara ihany koa izao, fa tsy niteraka Andrianampoinimerina.
Mazava tsara ny hafatra farany nataony tamin’Ilaidama sy ny manodidina azy.
Hoy indrindra mantsy Andrianampoinimerina : « Io Ilaidama, Tsy naterako tamin’ny kiboko, fa naloakako avy amin’ny vavako… ».
Izy mihitsy eto no milaza, fa tsy olon-kafa, ary tsy nisy gaga ireo nandre, na iray aza.
Tsy misy fanazavana hafa azo amadihana an’io hafatr’Andrianampoinimerina io,
Mazava tsara ny tiany hambara, tsy naterany Radama fa notendreny handimby azy fotsiny,
Zana-dRambolamasoandro tamin’olon’kafa, talohan’ny nivadian’izy roa ary ve Radama ? Sa zaza natsangan’izy mivady ?
Tsara marihina, fa nanana zoky roa Radama, samihafa reny aminy : Ramavolahy sy Rabodolahy izay zaza natsangana avokoa, niady fanjakana tamin-dRadama ny ireo, ary saika hanongana an’Andrianampoinimerina sy hamono azy mihitsy ny iray, mba hahazoany ny fanjakana.
Ary ny fahefatra nanarakaraka azy, samihafa reny aminy, Rakotovahiny, zaza natsangana koa, ary tsy niady fandovam-panjakana tamin’izy 3 lahy, fa niandry an’izay ho farany (zandriny aho, hoy izy, fa ry zalahy zokinyka …tsy hiady amin-dry zalahy aho,…ndrao hahandry ny farany ihany aho, raha hotsofinao rano ka velona)
Midika ireo fa tsy niteraka Andrianampoinimerina,
Tsy maintsy ho izay tena naterany mantsy no ho nomeny ny fanjakana, raha nisy, fa tsy ho Radama mihitsy.
Tsy ho niady fanjakana taminy iretsy roa voalohany, izay natsangany raha zanka naterany Ilaidama.
Hitantsika izany teo amin’Andriantompokoindrindra sy Andrianjaka ary Ralambo,
Andriantompokoindrindra no lahimatoa, fa tsy Andrianjaka,
Tsy zana-dRalambo nefa Andrianjaka fa zana-badiny, ka tsy ho nomeny azy ny fanjakana, fa nomeny an-dRalambo….
Takatr’Andriantompokoindrindra izany, tsy niady nefa ny anao lahy.
Fanahy no nampiasainy, mba hahazoan’ny taranany ny fahefana.
Nanao fanorona ny anao lahy, ka rehefa nilazana izy fa nampiantso azy ny mpanjaka, tsotra nt valin-teniny : mbola hamono ny telo no ho dimiko aho.
Izany hoe 5 ny azy, ary 3 ny an’ny mpifanandrina, lanin’ny diminy moa ny telon’ny mpifanandrina, izay midika fa taranany 5 no hanjaka, handimby an’ireo 3 avy amin-dRalambo.
Andriantsitakatrandriana ; Andriantsimitoviaminandriandehibe ary Razakatsitakatra, ireo no telon’Andrianjaka, zana-Ralambo handimby azy.
Andriamasinavalona (zana-badin’Andriantsimitoviaminandriandehibe, sady zafin’Andriantompokoindrindra) ; Andriantsimitoviaminandriana ; Andriambelomasina ; Andrianjafy ; Andrianampoinimerina izay taranak’Andriana farany. ireo kosa no dimin’Andriantompokoindrindra izay nitelina an’iretsy telon-dRalambo.
Hitantsika eo ambony fa tsy zanak’Andriantsimitoviaminandriandehibe koa Andriamasinavalona, tsy nekeny handova azy koa io, raha mbola misy zanany afaka handova azy.
Rehefa lany ny taranaka afaka handova vao manan-jo handova izy, izay ilay hoe miandry ny farany,
Arak’izay nolazainy taminy fony izy nanao valamparihy teo Ankandimbahoaka, ny azy no vita talohan’ny anjara asan’ny zokiny.
rahefa izany dia nantona an-drainy izy, nilazan-dRainy nefa izy hoe : « Zandriolona, fa mahandrasa ny farany ».
Hitantsika amin’izany, fa tsy nisy mpanjaka, na iray aza, nanaiky hampandova zaza tsy naterany raha mbola eo ny zaza naterany.
Tsy niteraka izany Andrianampoinimerina, matoa Radama, izay efa voalazany fa tsy naterany no nampanjakainy.
Ary Andrianampoinimerina ihany koa no Andriana farany, tompon’ny farany araka ny filazany maro momba azy any amin’ny tantara.
ASA HAFA
Olombelona koa ny Mesia, Manan-talenta amin’ny famoronana sarimiaina, efa azonao jifaina ny vokatra : Planetan’ny dinaozaoro, maharitra 61 mn, Vidiny ho an’ny olon-tsotra : Ar 3000 (Mvola : +231344485763)
Ho anao orinasa te hividy ny zo amin’io sarimiaina io koa, io ny laharana..
Pejy facebook Tanguy Production.
Misy version Audio amin’izay format tianao koa ny fanadihadiana momba ny tantaran’Andrianampoinimerina sy ny vintany, misy feon-kira manaingo ny fitantarana , maharitra 41 mn ary milanja 38 Mo e- : mail : shivatanguy@gmail.com ; tél : +261344485763
Tsy mandany fotoana ny mihaino azy, tahaka ny fihainoanao hira eny an-dalana sy amin’ny fotoana rehetra.
Mandraisa anjara ho fanohananao an’izao asa lehibe izao.
Ny teknika ampiasaiko moa no isan’ny hangana indrindra amin’ny famoronana sarimiaina, mila fanohizana kosa ity horonantsary fohy momba ny any ankoatra ity.
L’au Delà

Afaka manohana ny asa ianao raha liana ny amin’ny fiainana any ankoatra.
TETIKASA HAFA
Ary ny nosy hiandry ny Lalàny , ity ilay lalàna izay atolotro sahady ho lalàmpanorenan’i Madagasikara : http://cyrius.unblog.fr/?p=613
Asaina ianao hitondra ny hevitrao ao anatin’io.