VAZON’i MOZIKA
Ny onjanao ry mozika
Sarotsarotra adika
Mampanembona aoka izany
Ny ambiroa lasana any
Ny feonao ry mozika
Ny maso, he mibaliaka
Ny vava mihira mihiaka
Manako hatrany am-pita
Izy moa mihira foana
Ny mpihaino moa aza moana
tsy mahaloa-peo akory
Rahariva ireo tsy hatory
Izato izy mitafy lamba
Ny andilany, bangabanga
Moa io koa va ny fony ?
Midoboka, tsy tony.