L'aura humain et son développement

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans un église ?

  • Accueil
  • > NY FANAHY FAHA-7, ZANAHARY NA AURA ATMIQUE

26 février, 2019

NY FANAHY FAHA-7, ZANAHARY NA AURA ATMIQUE

Classé dans : — cyrius @ 12:31

Zanahary, Andriamanitra, Adonai, Adama, Jehovah, Yahweh na Iaveh, Eva, Hova, Rahova,
Fa Za (izaho) -Nahary tokoa no dikan’ny hoe Zanahary ; Fantatrao koa ve, fa ny teny hoe Andriamanitra anie ka teny sanskrity roa natambatra : Adi sy Mantra ; Adi, na Adonaï, na Adama, Razamben’ny olombelona ; anaran’i Eva ity Jehovah na iaveh antsoina ao amin’ny baiboly sy ny fivavahana ity. El kosa, Olo na olona, ilay,  ny fanahy no El na olona.
Anaran’Andriamanitra ao amin’ny baiboly koa io, El Adonaï

Sosona faha-7 amin,ny fanahy ity.

Izy no ilay antsoin’ny Malagasy hoe : « Atra an-tampon’ny loha », « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha », mifandray @ ilay Chakras faha7 antsoina hoe Sahasrara izay ao an-tampon’ny loha no misy azy.

Ity no vatana ambony indrindra, mamaritra ny fiambonian’ny olombelona, izy no ifandraisantsika akaiky kokoa @ Andriamanitra, ary iraisantsika @ Atra. Io ilay hazavana mampitambatra antsika amin’Andriamanitra sy maha zanak’Andriamanitra antsika,.

Hitantsika ao amin’ny baiboly ohatra ny hoe

: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”,

“Ny ray ato amiko ary izaho ao @ Ray”.
Afaka miteny toy izany ny olona rehetra, ary tsy mety diso izany.
Fa Za (izaho) -Nahary tokoa no dikan’ny hoe Zanahary.
Eto no feno ilay atao hoe : « Ny fanahy no olona ».
Satria eto, ilay fanahy, ilay Andriamanitra ao an-tampon’ny loha no miteny hoe : « Izaho Nahary ».
Tsapa tsara ny fisiany sy ny asany eto.
Misy fiteny toy izany koa any amin’ny testamenta vaovao (mila pejy hafa iny)

Ity vatana na fanahy faha7 ity no ilay ampahan’Andriamanitra “Etincelle Divine” ao amintsika ka ilazan’ny Baiboly  ny hoe “Ao amintsika Andriamanitra”.

Eto no ahatsapana ny firaisantsika @ tontolo tsisy fetra, ny maha-iray ny rehetra sy ny lalàna mifehy ny fisiana sy ny firaisana @ tontolo, @ olombelona sy @ Andriamanitra.

Tsarovy manomboka eto fa miara-mandrindra ny tontolo @ Andriamanitra isika @ alalan’io lalàna io.
Izay no maha mpanjakan’ny zavaboaary antsika.

Tsy hafa izany ny olombelona tsirairay fa silak’Andriamanitra avokoa.
Mampitolagaga ny fahalalan’ny Razambentsika an’izany raha nilaza izy fa Ny Razana maty lasan-ko Andriamanitra.
Rehefa tontosa sy tanteraka mantsy ny iraka ampaovina antsika ka madio isika ampy traikefa amin’ny @ fiainana sy ny tontolony dia miverina amin’ilay hazavana tsy manam-petra nipoirany ilay hazavany nindramin’ireo vatana nandritry ny fiainana rehetra maha-olona.

Fantantsika izay ny momba an’iny vatana fahafito tsy hita maso iny izay Zanahary ihany.

Ary ny teny hoe Andriamanitra ?
Fantatrao koa ve, fa ny teny hoe Andriamanitra anie ka teny sanskrity roa natambatra : Adi sy Mantra
Teny manan-jina na teny masina ny atao hoe mantra.
Izany hoe teny manana fahefana,
Miteny ilay namorona an’izao tontolo izao hoe : misia mazava, dia nisy ny mazava, jereo any amin’ny bokin’ny genesisy.
Nisy teny nampiasaina izany tao, notononina, izay hampisy ny mazava no antom-pisiany, izay ilay atao hoe mantra.
Teny manan-kery izany ny ampahany faharoa amin’ity teny hoe Andriamanitra ity.

Dieu primordial, na Énérgie primordial no andikan’ny vahiny ny hoe Adi.
Izy izany no Zanahary voalohany sy Zanahary  niandohana, izy no Zanahary lehibe indrindra.
Ny Adi(jereo etsy ambany) kosa teny sanskrity izay tsy hafa fa mitovy dika amin’ny Adonaï amin’ny teny hebreo. miofo ho azy moa ny teny rehefa mandeha ny fotoana, arakaraky ny fanononana azy sy ny fampiasana azy, ka lasa hoe Andriamanitra izy aty aoriana.
Taitra angamba ianao, satria tsy izany no nampianarina antsika.

HEVI-DISO MOMBA AN’ANDRIAMANITRA

Nolazaina tamintsika fa hoe andriana + manitra ny teny hoe andriamanitra, diso avy hatrany izany fa ny teny hoe Andriamanitra no nisy talohan’ny nisian’ny andriana, fitondran’ny zokiolona moa no nisy talohan’ny fitondran’andriana, na fitondram-panjaka.
Ary tamin’izany sy talohan’izany no efa nisy ny teny hoe Andriamanitra.
Anisan’ny voizina ho niandohan’ny andriana ohatra ilay angano momba ny zanak’andriamanitra notan’ny olombelona fady ka io no lasa ndriana voalohany. Jereo eto nefa, fa tsy mbola misy akory ny andriana, dia efa miasa ny teny hoe Andriamanitra.
Noforonina taty aoriana rahateo io dikanteny nampianarina antsika io, vokatr’ilay atao hoe fivavahana politika, izany hoe ny ara-panahy lalaovina hifanaraka amin’ny tanjona tiana antokon’olona hotratrarina, ary tsy dia hita rahateo ireo izay manan-kambara hafa.
porofon’izany ihany koa, tsy nisy na iza na iza afaka nanimbolo an’Andriamanitra, ka afaka hilaza fa manitra andriamanitra.
Raha manitra Andriamanitra, dia ny alika no ho akaiky azy kokoa fa tsy ny olombelona, fa ireny no hahalala azy kokoa amin’ny alalan’ny fofona.
Élément chimique, izany hoe zavatra hita sy tsapa avokoa no mandrafitra ny fofona azafady, ny « corps physique » no misy an’izany, fa adriamanitra fanahy, hazavana faran’izay madio, sy maivana, lavitry ny physique, tsy tsapa ary tsy hay refesina.

Ajanony amin’izay ilay finiavana hanondro ny razantsika ho barbariana, ary aza heverina ho vendrana intsony ny malagasy, fa ny tenintsika izao no ahafahana mamantatra ny zava-miafina indrindra ao amin’ny baiboly.

Adi, na Adonaï, na Adama, Razamben’ny olombelona

Mbola ho gaga ihany nefa ianao raha ilazako hoe Andriamanitra ihany no razamben’ny olombelona ?
Jereo ny voalaza etsy ambony momba ny teny hoe Adi, teny sanskrity izay tsy iza fa ny Adonaï amin’ny teny hebreo ihany, anarana iantsoana an’Andriamanitra ao amin’ny baiboly koa izy io.
Adonaï, izay manome ihany koa ny anaran’i Adama , voalaza fa razamben’ny olombelona, Adam, na Adan, hoy ny fanononan’ny vahiny.

Azonao alàna ny n satria facultatif mihitsy ny n, raha farateny, ada no sisa hitanao, soloy i ny a farany, lasa adi, nefa tsy miova ny dikany.
Mbola azo atao koa ny mandika an’io ho teny malagasy hafa indray, nefa tsy hiova ny dikany.
Voleo ka, adika no ho hitanao, tsy hafa fa Adonaï, Adi, Adama na Adan ihany io, razamben’ny olombelona ihany io.
Misy teny toy izao ao anatin’ny baiboly : « créons des hommes à notre image », « andeha hamorona olombelona mitovy endrika amintsika ».
Image, mitovy endrika, inona izany ? Dika, misy fandikana ao, misy zavatra adika, mba hisian’ny fitoviana.
Ilay adi + ka : adika.
Misy toetran’Andriamanitra izany adika mba haha-olona ny olombelona, tahaka ny fisian’ny dikan’ny ADN na fototarazon’ny ray aman-dreninao sy ny razanao tany aloha ao aminao.

Nisy singa maro ao amintsika izany nadika avy amin’Adriamanitra, ary ilay fanahy no olona sy ny heriny, no voalaza amin’izany.
Hazavana Andriamanitra ary hazavana, hasina, no nadika ao amintsika.
Ireo ilay itovizantsika sy anakaikezantsika an’Andriamanitra.

Tian’ny mpanjaka taloha moa ny hitovy amin’Andriamanitra, na farafahakeliny, hatao hoe zanak’Andriamanitra.
Hany ka namboarina ho toy izany koa ny anarany,
Ny anadahin-dRangita ohatra, Zanahary mihitsy no anarany, ary Ambohijanahary no vohitra nonenany.
Ny Anadahin-dRenin’Andrianampoinimerina, Andrianjafinandriamanitra no anarany.
Ny teny hoe Adi no hazavaintsika eo, fa io no noraisin’ireo voalaza etsy ambony taty aoriana hiantsoana azy sy ny taranany, noho izy io anaran’ny Zanahary.
Tsy atoro an’An’Andrianampoinimerina moa io, ka nataony hoe Ilaidama ny anaran-dRadama I, rehefa natsangany ho zanany.
El Adonaï io no nogasina, jereo ny anaran’i Adama etsy ambony, izay AdonaÏ ihany koa no niofo.
Radama ihany koa anie ny no nandikana ny anaran’i Adama ao amin’ny baiboly malagasy voalohany, izay tarehintsoratra arabo no nanoratana azy.
Ny Ilay izay hita eo aloha, fanagasina ny El, lasa Lay, na Ilay.
Anaran’i Adama mihitsy izany ity Adonaï ity.
Manaiky ianao izao fa Za(izaho)-Nahary mihitsy ny hoe Zanahary, Atma hoy ny teny sanskrity, izay hita amin’ity sosona faha-7 amin’ny fanahy ity.

Na izany aza, hanohy ny fanazavako ihany aho
Anaran’i Eva anie ity Jehovah na iaveh antsoina amin’ny fivavahana ity e

Jehovah hoy ny tsy katolika, tsy misy aloha ny litera j amin’ny hebreo, fa Iaveh ihany koa io rehefa ovana ho i ny j.
Fantatrao ve fa ny ankamaroan’ny anarana hebreo ao amin’ny baiboly, manomboka amin’ny zana-tsoratra avokoa ? Na manomboka amin’ny J, iray nefa ireo rehefa jerena amin’ny anarana hebreo yahou no niofo tamin’ny fanononana.
Toy ny anarana Ra, mpialoha ny anarana malagasy maro, ihany koa ka  azo alàna.
Raha alana ary ny Yahou, izay jeho izy eto na Ia(h), dia vah na veh no hita farany.
Araky ny voalaza etsy ambony, azo ovana ny zanatsoratra, fa tsy miova ny hevi-teny.
soloy e, dia hahita isika hoe Eva, soloy O, dia hahita isika hoe ova na hova.
Rahova mihitsy moa no nandikana ny anaran’i Eva tamin’ny baiboly voalohany nisy teto Madagasikara, ary sorabe no nanoratana azy.
Jereo any amin’ny matematika ny hoe ny mahasamihafa ny hoe ova sy ny image, na dika izay hitantsika ery ambony ?
Fanampin’izany, renisoratra iray ihany no eto, v, na w, io izany no litera tokana mandrafitra ny anaran’i Eva’ izay nahazoana ny hoe Jehovah.
Amin’ny litera hebreo nefa, iray ihany koa ny v, w, sy ny f, raha ampiana zanatsoratra -o ny f, dia manome ny fo, na foha izay iray ihany raha tononina.
Fampiasan’ny mpanao hatsaràna izy ity rehefa mamoha hery, na mamoha sikidy, miteny izy aloha hoe foha, foha, foha…, hamohazana ny hery, miampy fitokoana hafa vao mampiasa ny fahaizany amin’izay.
Litera iray F,v, w ihany io, fa ny fanononana sy ny fampiasana azy no nampiofo azy rehefa nandeha ny fotoana.
Iza ary izany no antsoin’ny mpanao hatsaràna rehefa hanao ny raharahany ? Jehovah na IAhweh ve ? Na i Eva ?
Eny no valiny.
Marihina fa tsy voaporofo mihitsy hoe vehivavy i Eva na hoe olona iray avy i Eva sy i Adama.
Ny voaporofo izao dia fiantsoana ranakandria na fiantsoana an’Andriamanitra ny Adama sy Eva.
Izany hoe anaran’i Eva ity Jehovah na Iaveh ampiasaina amin’ny fivavahana ity raha anaran’i Adama ny Adonaï

Amin’ny teny hebreo, ny renisoratra no tena mitondra ny hevi-teny, azo soloina ny zana-tsoratra, nefa tsy miova mihitsy ny hevi-teny,
Azo apetraka na alana koa ny h fa tsy dia manova ny heviny loatra. Ny mahasiah ohatra messie rehefa adika na mehesi.
Ary ireo voalaza ireo no fitsipika hita ao raha tsoahina avy amin’ny kabbale.
Tsy hiresaka grammaire sy ny karazany isika, fa tsy anjarantsika izany.

Raha jerena maika, dia toa anaran’olombelona na Razan’olombelona hatrany no hitantsika eto, anononana ny anaran’Andriamanitra, fa nahoana ?
Valiny tsotra, satria tsy azo notononina ilay tena anaran’Andriamanitra.
Olona 3 ihany teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona no afaka manonona sy mpampiasa an’io anarana io, dia ny Mesia, iza tsy iza fa Toth, « Dieu Ra », na  « Dieu soleil » izay i Mosse na mosesy (Moizy),  ny faharoa i Davida, mpanjakan’Israely izay i Mosesy ihany no niverina (réincarné), ny fahatelo, ny mpanoratra izay tsy iza fa i Davida ihany koa no niverina (réincarné).

« Fantaro ny tenanao, dia hahalala an’ireo Andriamanitra sy ny Tontolo ianao ». Socrate
Ity vokam-pikarohana ity izay navoaka avy amin’ny hyéroglyphe na kabbale hebreo, tsy hafa fa angamba famenon’nyfandikana Hyéroglyphe ejipsiana nataon’ingahy Jean-François Champollion ihany.

Mitovy amin’ity pejy ity ny lalàna narahina tamin’ny fandikan-teny teto.

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava